- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVontovorona : Mpamily taxi, novonoina sy nendahina

Vontovorona : Mpamily taxi, novonoina sy nendahina

Noratrain’ireo olon-dratsy ilay mpamily taxi, ary nentin’izy ireo nitsoaka ny vola sy ny fiara.

Lasa ny fiara, ny vola, ny finday, ary tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy naratra sy tsy afa-nihetsika intsony ity mpamily taxi iray. Olona sendra nandalo no nitsetra sy namonjy ary nitondra azy ho any amin’ny tobim-pahasalamana. Mampivarahontsana tanteraka ity resaka tsy fandriam-pahalemana ity, indrindra ny mahazo ireo mpiasa alina, toy ny fiarakaretsaka sy ny taxi-moto. Teny amin’iny faritra Vontovorona iny mantsy dia taxi iray indray no voaroba ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny angom-baovao azo dia tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho no nitranga izany, raha ny fampitam-bavaon’ny zandary, teo amin’ny toerana antsoina hoe Cnaps, fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo. Talohan’io fotoana io dia nanatitra olona teny an-toerana ilay taxi, izay niainga avy eny Itaosy. Lehilahy roa ireo olona nentiny tamin’io. Voalaza anefa fa nony tonga teo amin’io toerana io, izy dia nampiandry azy ireo roalahy, izay nilaza fa hisy olona ho avy hitondra ny saran-dalan’izy ireo. Efa nanomboka mailo ilay mpamily satria ny andro efa any amin’ny sasakalina, ny toerana tena mangina. Ny hany heriny dia ny hamily ny fiara avy hatrany, hitodi-doha hiverina raha misy zavatra hafa. Tsy niandry ela akory anefa fa teo am-panaovana izany no nirongatra tampoka ireo roalahy ary niatsampy tany amin’ilay mpamily. Niezaka nanakenda azy, nidaroka sy nandratra ary nanadaboka azy tamin’ny tany, niala teo ambony familiana. Rehefa voafehin’izy tanteraka ilay lehilahy, ary tsy afa-nihetsika intsony dia nohararaotin’izy ny nandroba azy : ny vola rehetra tany aminy, niaraka tamin’ny finday. Nitsoaka niaraka tamin’ilay fiarakaretsaka, marika Peugeot 106, miloko beige creme izy ireo nony avy eo. Efa teny an-dalana handeha hihazo ny toeram-pitsaboana moa ilay mpamily naratra no nifanena tamin’ireo zandary, handeha hijery ifotony ny zava-nisy taorian’ny fampandrenesana azon’izy ireo. Napetraka ny sakana rehetra sy ny fikarohana teny an-toerana saingy mbola tsy hita no sady tsy mbola fantatra ireo olon-dratsy. Ny hany vaovao azo dia hoe nitsoaka niantsinana izy ireo. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany sy ireo karazana famotorana entina hikarohana ireto olon-dratsy ireto, izay sahanin’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Antanety II.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici