
Namoaka ny didiny ny fitsarana ady heloka tsotra momba ny raharaha nahafaty an’i Jean Jacques Rabenirina. Voasazy higadra an-tranomaizina 18 volana sy handoa lamandy enina tapitrisa ariary Randrianasolomanana Clarel Aimé, mpamily kamiao voarohirohy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty ny depiote teo aloha. Nisy ihany koa sazy fanampiny noho ny fitsoahana taorian’ny loza na « délit de fuite » : 12 volana an-tranomaizina. Mikasika ny fiampangana azy ho tsy nanana fahazoan-dalana mamily (permis de conduire), dia nanapa-kevitra ny fitsarana fa afaka noho ny fisalasalàna ilay voampanga, noho ny tsy fahampian’ny porofo nahafahana nanaporofo mazava ny fisian’izany fandikan-dalàna izany. Koa satria ny sazy ambony indrindra no raisina dia 18 volana izany no tena hefainy an-tranomaizina. Momba ireo mpitsabo miisa enina izay voarohirohy ho tsy nanavotra olona mila vonjy kosa dia noafahan’ny fitsaràna noho ny fisalasalàna izy ireo. Ankoatra ny sazy famaizana, dia nisy ihany koa ny onitra sivily natokan’ny fitsarana ho an’ny fianakavian’i Jean Jacques Rabenirina, ho fanonerana ny fahavoazana nateraky ny fahafatesany. Tsy vitan’ny fanasaziana ny tompon’andraikitra araka izany ny didy, fa nametraka ihany koa ny andraikitra amin’ny fanonerana ny fatiantoka sy ny fahoriana nianjady tamin’ny havan’ilay nodimandry.
D.R




