Tsapa ho niha-nirongatra tato ho ato izay ny halatra fiara. Ary ny tena mahazendana dia tsy mijanona amin’ny fiara kelikely na salantsalany intsony ry lematy fa efa mananiky ny avo. Tany amin’iny faritra Moramanga iny, fiarabe iray isan’ireo manamboatra ny lalam-pirenena faharoa iny no nisy nangalatra. Soa ihany, hita soa aman-tsara ilay fiara, tetsy Alasora ! Araka ny fampahafantarana nataon’ny polisy dia efa nametrahana fitarainana ity fiarabe marika Shacman nisy nangalatra ity tamin’ny fotoana nahaverezany, ny alahady lasa teo. Efa nandeha daholo ny fikarohana rehetra tany an-toerana. Ny andron’ny talata teo, anefa tsy nampoizina velively fa nisy nametraka tsimoramora teo am-bavahadin’olona tetsy Alasora ilay fiara. Misy asa fanorenana ihany koa tao amin’io toerana io ary mety izay no nisafidian’ireo mpangalatra hametraka azy teo, rehefa tsy hitan’izy ireo izay azo natao tamin’ity fiarabe ity. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany moa ny tompon’ny toerana satria mibahana vavahady ilay fiara kanefa tsy misy olona tao anatiny. Tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra ary nanao izay nikarohana izay mety ho tompony. Ny maraim-ben’ny alarobia teo no tonga ny tompony ary nilaza ny zava-nisy. Nentina nihazo ny kaomisaria avy hatrany ahafantarana ny tena marina. Voamarina tamin’ny taratasin’ny fiara rehetra moa, niaraka tamin’´ny fitoriana sy fikarohana ilay fiara. Naverina tamin’ny tompony izany taorian’izay. Tsy nijanona teo moa ny famotorana mahakasika ity raharaha ity raha ny fantatra fa mbola mitohy, hikarohana izay olon nametraka io fiara io teo, izay heverina fa mety ireo olona nangalatra azy ihany.
m.L




