
Fikambanana mihorina eo anivon’ny CNAPS ny Association Hifampita, anto-pisiany ny fifampitsinjovana ny tahirim-pirenena amin’ny mpiasa raikitra, indrindra ireo mpiasa efa misotro ronono. Ankotra izay ny fikarakarana ny maha olona, ny mpiasa sy ny ankohonany. Misandrahaka manerana ny Nosy ny fikambanana Hifampita, mahatratra 1725 ny mpikambana manerana an’ny Madagasikara hoy Rtoa Malalatiana Razakamanana filoha nasionalin’ny fikambanana, rehefa faritra misy ny CnaPS dia misy ny biraon’ny fikambanana avokoa.
Mankalaza ny faha roa taona nisiany fikambanana ankehitriny, tafiditra ao anatin’izany fanamarihana izany ny lalao ara-panatanjahan-tena na « jeux corporatifs inter entreprise » izay natao nandritra ny roa andro, nanomboka ny Sabotsy 20 jona 2026 lasa teo. Orinasa 25 no nandray anjara, karazana lalao 5 no natao, ny foot ball, Basket ball, lalao tsipy kanetibe, Volley ball ary Beloty.
Ilaina ny fanatanjahan-tena, anaty lalao no ahitana firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo amin’ny samy mpiasa sy ny mpiara-belona hoy Rajaonarivelo Rindra Nirina talen’ny Cnaps eto Antsirabe.
Nitarika ny lanonam-panokafana ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kolonely Rampanarivo Thierry . Nambarany fa ny fitondram-panjakana misy ankehitriny dia manome lanja ny tanora amin’ny lafiny rehetra isan’izany n’y fanatanjahantena. Nanolotra baolina ho an’ny fikambanana ity farany.
Ny ACMIL na Akademia Miaramila no nampihatrano ny lalao, tsiahivina fa ao anatin’ny fankalazana ny faha 60 taona nisiany ihany koa ny Acmil amin’izao fotoana ary isan’ireo 25 mpandray anjara. Zava-dehibe ho an’ny sekoly ny fiaraha miasa sy hetsika tahaka izao hoy ny kaomandin’ny Sekoly Ny jeneraly Ratsarahevitra Andriamisetra satria avy amin’ny fiaraha monina sy ny vahoaka ny fianakaviam-ben’ny sekoly Akademia miaramila.
Andry N.




