- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsZandarimariam-pirenena Toamasina : Ny kolonely Bahavana Derbas ndray no mandray ny CRGN

Zandarimariam-pirenena Toamasina : Ny kolonely Bahavana Derbas ndray no mandray ny CRGN

Famindram-pitantanana teo anivon’ny CRGN Toamasina.

Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny kolonely Bahavana Derbas napetraka ho CRGN  ankehitriny ; sy ny jeneraly Razafialison Cyr lehiben’ny CRGN teo aloha. Lanonana famindram-pahefana natao teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ; sy natrehan’ireo vondron-tafika samy hafa nahitana ny miaramila sy ireo zandary tompon-draharaha. Nitarika izany lanonana izao ny jeneraly Zipa Jean Hubert, izay mihazona ny sekretera jeneraly eo anivon’ny zandarimariampirenena, sy ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos izay komandin’ny zandary Malagasy ; ary ireo olo-manakaja samy hafa teto Toamasina notarihan’ny sekretera jeneraly ny faritra Bemahefa Gervais. Nadritra ny lahateny natao taorian’ny famindram-pitantanana dia nilaza ny kolonely Bahevana Derbas lehiben’ny CRGN Toamasina, fa fanamasisana ny fanarahana ny fitsipi-pifeheana – fanatsarana ny fitondran-tenan’ireo zandary eo ambany fibaikona- fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fahitsiana – fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fahombiazana – fahaizana mandray andraikitra manoloana ny toe-java-misy – fanatsarana ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny zandary ba hampahoby ny asa rehetra ato ho an’ny vahoaka –… ary ny fanatanterahana ny asa mba hisian’ny fahombiaza amin’ireo fitaovana misy. Nisy ny matso lehibe natao taorian’ny famindra-pitantanana izay mbola teo amin’ny araben’ny fahaleovantena.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici