
Roa lahy nisandoka ho andrimasom-pokonolona ary nanendaka mpandalo nody alina teny Anosibe no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanolorana ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana. Araka ny vaovao voaray, ny alin’ny 14 jona 2026 no nisy mpiasa nirava alina lasa lasibatry ny asan’ireto olon-dratsy ireto. Vantany vao naharay ny fitarainana ny polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’i Mahamasina dia nanao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia avy hatrany, ka tratra sy voasambotra iny alina iny ihany izy roa lahy. Nandritra ny fanamarinana nataon’ny mpitandro filaminana anefa dia voalaza fa naneho tsy fanajana sy nanao teny manevateva ireo polisy ireto voarohirohy ireto. Noho izany dia niantso hery fanampiny ny mpitandro filaminana ka voafehy sy voasambotra teo no ho eo izy ireo. Rehefa vita ny famotorana rehetra dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Taorian’ny fanadihadiana ara-pitsarana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora izy roa lahy miandry ny fitsarana azy. Marihina fa ny fisandohana ho andrimasom-pokonolona mba hanatanterahana asa fanendahana dia fomba fanao heverina ho mampidi-doza sy mamitaka ny vahoaka, satria manararaotra ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireo rafitra ifotony miandraikitra ny filaminana eny anivon’ny fokonolona. Mampitandrina ny mponina araka izany ny mpitandro filaminana mba hitandrina sy hampandre avy hatrany ny manampahefana raha sendra olona mampiahiahy misandoka ho manana fahefana na andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.
D.R


