- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Tokantrano nidiran'ny jiolahy telo an-keriny

Maevatanàna : Tokantrano nidiran’ny jiolahy telo an-keriny

Nitrangan’ny asan-dahalo indray ny tao amin’ny fokontany Morafenokely, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny alin’ny alatsinainy faha-22 jona taona 2026 teo, tokony tamin’ny 08 ora tany ho any. Raha ny angom-baovao azo dia niakatra tamboho avy ao andrefan-trano, ireo telolahy nitondra zava-maranitra, niambina ny vavahady kosa ny iray tamin’ireo. Nanapaka ny filin’ny Jirama tamin’ny antsy mba hisian’ny haizina ny roalahy, sady niditra an-keriny avy hatrany. Taitra tampoka ireto farany, izay tsy nanao saron-tava, rehefa nahatsikaritra ny tovolahy iray tao anatin’ny trano notafihany ka nihemotra nitari-dositra. Ny tena tompon-trano dia nisaoty avy eny ambonin’ny tamboho taty atsinana, efa ho dimy metatra eo. Taorian’izay dia nizotra niantsinanana ny lalan-kizoran’ireo malaso. Nidina tany amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana nalaky ny zandary sy ny polisy, saingy efa lasa lavitra ny olon-dratsy. Marihina hatrany, fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny olona naratra na ny fanana lasa nandritra ny fanafihana niseho. Eto am-pamaranana lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa fantatr’ireo olona nahatazana azy roa nivantana nandritra ny fanafihana nandamoka ny iray tamin’ireo jiolahy telolahy. Mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana hatreto.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici