- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversStarex halatra : Hita ihany, telo no voasambotra

Starex halatra : Hita ihany, telo no voasambotra

Herinandro latsaka taty aoriana, nisy nahita ary nanatitra tao amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ilay fiara Starex nisy nanofa ary nangalarina. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny polisy misahana ny famotorana dia nasian’ireo olon-dratsy fanafody mampatory ny sakafon’ny mpamily. Rehefa tsy nahatsiaro tena io farany dia nobatain’izy ireo ary natsipiny tao ambany tetezan’ny Namontana. Ny marainan’ny halatra no nisy nahita teo anelakelan-trano mody any aminy any Anosibe ihany ny mpamily. Nanomboka teo no nanampy betsaka tamin’ny fanadihadian’ny BC etsy Anosy. Nisy vehivavy ny iray amin’ireo telo izay voasambotra. Raha tsiahivina dia niala teto an-drenivohitra ary ho any Ambohimanga no nifanarahana fa nanofana ny Starex nandritra ny andro iray. Teo koa no nandeha ny fanapozinana ny mpamily sy ny fangalarana ny fiara. Mbola jeren’ny teknisiana ambony ambany ny fiara hatramin’ny omaly mba hahitàna izay mety ho nalain’ireo olon-dratsy taminy. Ankoatra izay, mbola mitohy ny fanadihadiana ny amin’ny saika hanaovana ny fiara halatra. Raha ny fandinihana azy dia nanapa-kevitra ny nanajanona ny fiara tany ho any ireo olon-dratsy rehefa hitany fa mafibe ny fikarohana nandeha. Nanampy betsaka ny mpampiasa tambajotra sosialy tamin’ny fanaparitahana ny zava-nitranga sy ny momba ny fiara hany ka mety ho vetivety dia tapi-dalan-kaleha ireo mpangalatra.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici