- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimbary - Maevatanàna : Renim-pianakaviana voatsatoka antsy teo akaikin'ny fony

Antanimbary – Maevatanàna : Renim-pianakaviana voatsatoka antsy teo akaikin’ny fony

Hataraina ny an’ireo olona manodidina ny tao tapon-tsena, any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka rehefa nahatsikaritra an’ilay Ramatoa niantso vonjy, nandritra ny fanendahana nataon’ireo olon-dratsy telolahy, ny alahady faha-21 jona 2026 teo, tokony tamin’ny 07 ora hariva. Ny angom-baovao voaray hatrany dia avy nivarotra legioma nanangona entana nentina nody, ity farany no nisy telolahy nisintona paoketra niaraka tamin’ny vola tompoka teny aminy. Tamin’izay no namoaka ny antsy ny iray tamin’ny jiolahy, satria nanohitra namaly hatrany ny Renim-pianakaviana iray. Vokany: voatsatoka antsy teo akaikin’ny fony sy ny sandriny izy sady lasan’izy ireo ny paoketra nisy vola telo tapitr’isa Ariary. Taorian’izay dia niantso vonjy ny niharan-doza ka azo ny paoketra sy ny vola rehefa nifanome tanana nandritra fifanenjehana ny fokon’olona. Tafaporitsaka ihany kosa izy telolahy. Efa nentina ao amin’ny hopitalibe Morafenokely, eto Maevatanàna an-tapon-tanàna ny naratra mba hanaraka fitsaboana. Hita latsaka tao anatin’ny fifanjevona ny telefaonina nisy sary, ny iray tamin’ireo dahalo no ao anatiny. Manao ny fikarohana mikasika ity tranga ity ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici