- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodimita : Fanotorana tany an-tsokosoko, mitaraina ny mponina

Ambodimita : Fanotorana tany an-tsokosoko, mitaraina ny mponina

Afisy tsy manara-dalàna tahaka izao no apetak’ireo mpanototra tany, hiantsoana ireo tompon’ny tany.

Tsy nisy fifampivarotana, tsy nisy fifampiraharahana, fa taratasy kely A4,  afisy tsy misy sonia sy tsy misy cachet no miparitaka sy mipetaka sy manemitra ireo rindrina eny amin’iny faritra Ambodimita sy ny manodidina iny. « Natao izao, hoy ny voasoratra teo amin’ilay afisy, mba tsy hisian’ny olana amin’izay namaritra ny tany … ». Araka ny fantatra tokoa dia misy olona miezaka manototra tany eny amin’iny faritra Ambodimita iny, eo amin’ny toerana antsoina hoe « Androvolahy Section H Anosisoa». Tany manodidina ny dimy hektara any ho any no voalaza fa efa nofaritan’izy ireo, izay marihina fa saika tanimbary sy taninketsa avokoa ary efa eo amin’ny parcelle miisa dimy eo no voatototra. Ny olana anefa dia misy amin’ireo parcelle, voatofotra sy voafaritra ireo no manan-tompo ara-dalana, ary nampiaka-peo ireto farany. « Izahay, hoy ny solon-tenan’izy ireo dia tsy mbola nivarotra na tamin’iza na tamin’iza ny taninay ary tsy mbola nivonona ny amin’izany. Amin’izao anefa dia toa manao an-terisetra ny olona manao an’io famaritana io ary manao ramatahora mihitsy ». Voalaza moa fa tsy fantatr’ireto farany akory ny tompon’io fanotorana io fa mampiasa olona mpanelanelana maromaro izy. Ary ireto farany no mametaka ireo afisy eran’ny tanana, eo ambany mason’ireo mpitandro filaminana, hoy hatrany ny fanazavana. Isan’alina dia fiarabe tsy latsaky ny 30 no mivezivezy mitaona tany sy manototra azy io, araka ny angom-baovao. Marihina fa efa nampahafantarina ity tranga ity ny kaominina ary efa nitaraina teny izy ireo araka ny voalazan’ireo tompon-tany. Miandry ary miantso ireo tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny araka izany ireo mponina sy ny tompon’ny tany mba hijery akaiky ny zava-misy eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici