
Nametraka fitoriana tao amin’ny paositry ny polisy Analavory ny 11 jona lasa teo ny raim-pianakaviana iray, noho ny tsy fahitàna ny zanany lahy 14 taona nanomboka ny 09 jona. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra fa mpivady monina ao an-toerana no tompon’antoka tamin’ny fanjavonan’ilay zaza, ka nalefany tany amin’ny faritra hafa, amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny mba ho hiasa aman’olona. Taorian’ny famotorana dia natolotra ny fampanoavana ao Miarinarivo ny raharaha ny 24 jona ary naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo noho ny fanondranana olombelona. Tranga izay miseho matetika eto amintsika ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Mazana ireo mpanampy an-trano no ahitana zaza tsy ampy taona manerana an’i Madagasikara. Misy ny lalàna mifehy izany asa manjo ny ankizy eto amintsika. Azo atao tsara ny mitoroka raha mahita tranga mampiasa ankizy.
Yv Sam




