- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBypass : Mivezivezy ny mpanototra tany

Bypass : Mivezivezy ny mpanototra tany

Vao maraim-be no fanaovan’izy ireo azy. Manodidina ny amin’ny telo ora maraina dia efa mifamezivezy ny kamiao lehibe mitatitra tany, matetika marika Shacman na Foton. Mihazakazaka araka izany indray ny fanotorana tany rehefa niverina ny fahazoan-dàlana hanao izany ho an’izay toerana voaporofo ara-teknika fa azo totofana. Izany anefa dia ny ministera tompon’andraikitra irery ihany no manana ny fahefana manome na tsia. Ny isan’ny mahavariana dia matetika ireo fiarabe mpanatontosa ny fotodrafitrasam-panjakana no miantoka ny fitaterana ireo tany. Raha tsiahivina dia nanomboka ny volana febroary 2022 no noraisina ny fanapahan-kevitra nandrara ny fanotofana tany teto amin’ny firenena. Ny volana mey teo indray anefa dia niova izany ary azo hatao indray ny manototra tany saingy mila alàlana avy amin’ny ministera misahana ny fanajariana ny tany ary izany dia aorian’ny fanadihadiana izay hataon’ny teknisiana eo anivon’izy ireo. Isan’ny tsy hahazo alàlana mihitsy ny fanotorana lemaka sy ny tany tsy azo hanorenana trano na fotodrafitrasa. Maro ny olona no manahy fa hahazo vahana indray izay mahitahita, ary indrindra fa ireo karàna. Tao anatin’ny fotoana fohy mantsy dia efa nihazakazaka sahady ny fanotorana tany teto an-drenivohitra sy ny manodidina azy, toa an’Alasora sy Ambohidratrimo. Mila manaporofo bebe kokoa ny tompon’andraikitra fa tsy mizotra ho an’ny amin’ny tombontsoan’olom-bitsy ity fanapahan-kevitra namerina ny fahaozan-dàlana hanototra tany ity, mba hampadio ny sain’ny olom-pirenena. Tany aloha tany mantsy dia izay manana ihany no nahazo vahana tamin’izy ity ary rehefa mba niverina ny fandraràna dia nijanona koa ny resa-be. Miverina indray anefa izany izao…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici