Tsy nisy niangana na ny tokana aza ! Ny faran’ny herinandro teo dia fasana iray tao Morafenokely Tsiroanomandidy no nisy namaky. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny taolam-balo rehetra tao. Araka ny fantatra dia mpiandry omby sendra nandalo teny akaiky teny no nahita ny zava-nisy ary nampilaza avy hatrany ny fokonolona. Efa nidanadana mantsy ny varavaram-pasana ary hita nikorontana ny lamba tao anatiny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny tompom-pasana sy ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Fantatra teo fa lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny razana rehetra tao anatin’io fasana io. Ny lamba sisa no navelan’izy ireo. Mitotaly eo amin’ny 15 isa ireo razana tao, raha ny voalaza hatrany. Mazava ho azy, amin’ny toe-javatra tahak’izao dia mitaviravy tanana sy mijery ny zava-misy sisa azo atao. Satria na dia eo aza ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana dia indrisy fa tsy misy azo atao intsony ny amin’ireo taolam-balo, izay na hita aza dia mety hifangaro amin’ny hafa. Mitaraina fatratra araka izany ireo fianakaviana lasibatra ary mangataka amin’ny fanjakana mba hijery akaiky izany tranga izany, izay miha-mahazo vahana tato ho ato. Vao tamin’iny herinandro iny koa mantsy dia fasana telo no indray vaky tao amin’ny kaominina Ambodiarina, tany amin’iny distrikan’i Mahanoro iny. Ny fasana voalohany no fantatra fa nisy razana very raha toa ka tsy mbola hiandrasana ireo tompom-pasana kosa ireo fasana roa hafa.
m.L





