- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpianaka notifirin'ny jiolahy

Antsirabe : Mpianaka notifirin’ny jiolahy

Tao Tsivatrinikamo Antsirabe no niseho ilay fanafihan-jiolahy, afak’omaly hariva. Notifirin’ireo olon-dratsy tsy nasiany antra na ny kely aza ny renim-pianankavina sy ny zanany lahy. Mpivarotra ny asan’ilay ramatoa ary izy mianaka nandeha hamonjy ny tokantrano no notsenain’ireo jiolahy. Notifirin’ireo tsirairay mba nahazoana izay teny aminy. Nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra ary mbola mitohy ny fitsaboana azy ireo hatramin’izao. Fanontaniana isan’ny mipetraka hatrany ny momba ny fitaovam-piadiana (basy) izay ampiasain’ireo jiolahy. Tany Toamasina koa, ny talata teo, dia mbola miteraka resa-be ny fisian’ny fanafihan-jiolahy amin’ny andro antoandro. Mbola nitifitra indray koa ny jiolahy teo. Mpiasa eo anivon’ny quincaillerie iray no naratra teo amin’ny kibony ary efa nalefa toeram-pitsaboana indroa miantoana mba ho fanavotana ny ainy. Basy vita gasy ve ireo miparitaka ka mampirongatra ny asan-jiolahy? Ny tao Toamasina dia nandray fepetra hentitra ny mpitandro ny filaminana mba hamerenana haingana ny andavanandron’ny mponina ao anaty filaminana. Efa nisy voasambotra momba ny tranga tao an-toerana raha araka ny fanazavan’ny manam-pahefana. Ny any Antsirabe kosa dia anaty fanadihadiana tanteraka sy fikarohana ny jiolahy mpitifitra olona ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici