
Tao anatin’ny 24 ora izay dia tena feno sarin-jaza karohina fa very ny tambajotra sosialy. Toraka izany koa ny eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana izay nanaovana fampilazàna. Mihoron-koditra ny ray aman-dreny manoloana ny zava-misy, indrindra koa amin’izao vanim-potoanan’ny fiandohan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra izao. Dia hidiana ao an-trano koa ve ny zanaka izany mba ho voaara-maso ? Ny tena nahataitra ny maro dia ny fisian’ilay zazavavy 12 taona izay nirahina nividy mofo tetsy Ambodirano-Ampefiloha kinanjo hita faty teny an-tendrombohitra teny Amboanjobe. Nivarahotsana ny besinimaro ary indrindra koa mbola niparitaka ny sary tetsy sy teroa eny amin’ny tambajotra sosialy mahakasika ny zaza very izay misy tena mbola kely ary misy koa ny adolantsento. Mila mihetsika avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana ary mila fanentanana maika koa ny ray aman-dreny momba ny fomba fiarovana ny zaza. Raha tsy izany dia ho lasa ity ny fialan-tsasatra mainty indrindra eo amin’ny tantara. Ho mafy amin’ny zaza izany tsy afaka ny hivoaka ny trano izany ary ny zony mihitsy no voahitsakitsaka. Efa nisy ihany ny tranga toy izao tao anatin’ny vanim-potoana fohy : ireo adolantsento no misy manome zava-mahadomelina rehefa nalaina an-keriny. Tamin’izany dia nolazaina fa fanakorontanana saim-bahoaka no nitranga. Ankehitriny kosa dia mbola andrasana ny fisian’ny fanadihadiana lalina izay tokony hahazoam-baliny mba hampilamina ny sain’ny ray aman-dreny.
D.R






Commenter :tena loza mints ne eh
Commenter :mijaly mints le R.A.D sy le ankizy(‘¿’)