Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana ity raim-pianakaviana iray, monina ao Antsahabe, kaominina Bongatsara Atsimondrano ity. Tsindrona antsy roa be izao no niantefa teny aminy. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nalaina avokoa ny taovany sy ny nofo rehetra ambanin’ny fitombenany iny.
Ny alakamisy maraina teo no nahitàna ny razan’ity lehilahy 30 taona ity, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohibao, kaominina Bongatsara. Raha ny vaovao azo dia efa ny ampitson’io ity raim-pianakaviana ity no tsy niala tao an-trano, nilaza fa handeha hivarotra akoho. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no nisy fifandraisana taminy farany ary tsy nahazom-baovao intsony ny mahakasika azy taorian’izay. Efa somary fomba fanaony moa ilay tsy mody an-trano, raha ny fanazavana azo avy amin’ny fianakaviany, nampitain’ny zandary ka tsy nametraka taratasy filazàna tsy fahitàna izy ireo. Akory anefa ny fahatairan’izy ireo raha io nahare fa hita faty teny Ambohibao io ny havany.
Raha ny filazan’ireo mpitsabo tonga nijery ny razana dia efa tokony ho adiny enina taorian’ny nahitàna ny razana, izany hoe ny alina, no nisy namono ity lehilahy ity. Tsy teo amin’io toerana io anefa fa mety ho tany amin’ny toeran-kafa. Natsipy teo fotsiny, teo akaikin’ny dabam-pako ny fatiny rehefa azon’ireo tsy mataho-tody ny zavatra tiany nalainy. Vono olona feno habibiana tanteraka, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandary, satria tena natao izay hahafaty tanteraka azy, teo amin’ny fony ary teo amin’ny tendany ny tsindrona antsy natao. Ary mety ho taorian’izay vao naka ireo nofom-peny anankiroa sy ny nofom-pitombenany, niaraka tamin’ireo taova rehetra tao anatiny ireo olon-dratsy.
Efa nomena ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fitsirihana rehetra natao. Ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Bongatsara miaraka tamin’ny tobim-paritra ao Andoharanofotsy no miandraikitra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Miantso ireo rehetra izay mety ho manam-baovao na nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’io fotoana io araka izany ny zandary, araka ny vaovao azo.
m.L





