- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLoza teo Nanisana : Fiara Kia fotsy nandona ilay mpitondra môtô avy...

Loza teo Nanisana : Fiara Kia fotsy nandona ilay mpitondra môtô avy any aloha voatazona eny amin’ny polisy

Ilay fiara voatazona eny amin’ny polisy.

Tsy voaresaka mihitsy ny momba ny fiara Kia miloko fotsy izay nandona ilay tovolahy avy eo aloha ka nitarika ny nahafaty azy. Ny sabotsy teo, teny Analamahitsy sampanana Nanisana no nisehoan’ity loza ity. Araka ny fitantaran’ny nanatri-maso dia avy any aoriana ilay tovolahy nitondra moto ary saika hisongona ilay fiara Toyota Hillux mena. Tao anatin’izay fotoana izay anefa no nisy ilay Kia miloko fotsy avy any amin’ny lalana mifanohitra azy ka iny no nitaty azy, ary nitarika ny fahavoazana ho azy. Hita tokoa fa ny lohan’ilay moto no nisy fahasimbana, izay nanamarina fa avy aty aloha ilay fandonana nahavoa azy. Marihana fa tsy nanao aroloha sy tsy nanao kiraro ilay tovolahy nitondra moto. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, dia efa tratra avokoa ireo fiara voatonona tamin’ity loza ity. Ilay Toyota Hillux nentina teratany vahiny izay naparitaky ny olona tamin’ny tambajotra sosialy fa niantsoaka ary nisy nahazo horonantsary. Voalaza fa nitolo-tena teny amin’ny polisy ilay teratany vahiny sy ny fiara noentiny. Taorin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana nahalalana n’y momba ilay Kia ary efa eny am-pelatanan’ny polisy ihany koa ny mpamily. Ilay fiara Efa samy tazomina eny amin’ny polisy avokoa na ilay fiara Hillux na ilay Kia 4 ×4 miloko fotsy. Mitohy ny fanadihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici