
Anisan’ireo faritra hiaran’ny tsy fanjariantsakafo ny faritra Vakinankaratra, tsy ny sakafo akory no tsy misy eto fa ny fanodidina azy sy fampiasana azy ho sakafo ara-pahasamana no tsy ampy. Anton-pisian’ny tetika FEF Nutrition no hanome fampiofanana sy fanentanana ara-tsakafo ara-pahasalamana eny anivon’ny tokantrano, ary ny fanarahamaso eny ifotony ny asa hotanterahina. Tontosa ny datin’ny 1 jolay 2026 lasa teo ny atrikasa entina hanatanterahina izany. Marihina fa ity tetikasa ity dia tohan’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara. Miara-misalahy amin’ny tetika FEF ny « Office National de Nutrition » na ny ONN, ny « Office Régional de Nutrition » ORN Vakinankaratra ary ireo vovonana samihafa ao anatin’ny hetsika SUN « SCaling Up Nutrition ». Ankoatra izay ny HINA, MIKASA ary ny Anjara masoandro. Antenaina fa hisy fiantraikany be eo anivon’ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo eto Vakinankaratra ity tetikasa FEF Nutrition ity. Ny fahazoan’ny tokantrano sakafo sahaza sy ara-pahasalamana dia singa lehibe amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fampandrosoana maharitra.
Andry N.




