- Publicité -
dimanche, septembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsFanadinana BEPC DREN Atsinanana : 18.352 ireo mpanala izany, 36 taona ny...

Fanadinana BEPC DREN Atsinanana : 18.352 ireo mpanala izany, 36 taona ny zokiny indrindra raha 10 taona ny zandriny

Antanambao Manampontsy no manana kandida vitsy indrindra ho an’ny DREN Atsinanana izay misy 664 izy ireo miatrika izany fanadinam-panjakana Bepc, raha Toamasina I kosa no maro mpiadina indrindra ho an’ny DREN Atsinanana izay mahatratra 6.292. Toamasina II 4.582 ireo mpiadina – Brickaville 1.682 – Vatomandry 1.326 – Mahanoro 2.659 – Marolambo 1.147. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny DREN Atsinanana dia 36 taona ny zokiny amin’ireo mpiadina rehetra mahatratra 18.352 eo anivon’ny DREN Atsinanana ary 10 taona ny zandriny amin’izany. Tao amin’ny sekolin-dry masera Saint Joseph de Cluny Tanamakoa no nanokofana izany taom-panadinana 2026 izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana teto Toamasina, notarihan’ny lehiben’ny fileovana Toamasina I ary lehiben’ny faritra Atsinanana, notronin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina Renivohitra sy ny fianakaviamben’ny fitandroana ny filaminana ary lehiben’ny DREN Atsinanana. Araka ny tatitra voaray dia nilamina ny fiantombohan’ny fanadinana, satria tsy nisy ny olana tamin’ny fiatrehan’ny mpiadina izany tao anatin’ny DREN Atsinanana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici