- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndrondrakely : Vazaha nitondra moto, maty tsy tsa-drano

Androndrakely : Vazaha nitondra moto, maty tsy tsa-drano

Moto lehibe no nentin’ilay teratany vahiny.

Vao maraina dia efa nandriaka ny rà ary niteraka lozam-pifamoivoizana lavareny. Tetsy Androndra, tokony ho tamin’ny valo ora, omaly, no nifandona tamin’ny fiara ny kodiaran-droa iray nentin’ny teratany vahiny. Maty tsy tsa-drano ilay mpanamory moto lehibe. Raha araka ny fanazavan’ny nahita dia nisongona fiara tao anaty fitohanana izy ary nifandona tamin’ny fiara avy etsy ankila. Mafy ny fifandonana ary nitarika fahafatesana avy hatrany. Feno rà ny arabe ary manaporofo ny zava-nitranga izany. Nahafaty olona indray izany ny kodiaran-droa teto an-drenivohitra. Toe-javatra izay zary fahita isan’andro kanefa tsy hita izay tena vahaolana mifandraika amin’izany. Ny antony dia tsy voatazona intsony ny olona ny tsy hampiasa moto noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Be loatra ny fiara, ny làlana anefa ny teo ihany no teo ary betsaka no potika. Lasa mifandrafy aza indraindray ny mpitaingina moto sy ny mpamily fiara satria lasa vao maika manakorontana ny arabe ny fifangaroan’ireo eny amin’ny fifamoivoizana. Eo koa ny tsy fitandremana maro samihafa sy ny lalàlan’ny fifamoivoizana izay tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fanarahana azy. Vokatr’izany rehetra izany dia lasa namoizàna ain’olona isan’andro, isan-kerinandro ny fandehanana kodiaran-droa. Efa nandalo teo ihany ny karazam-bahaolana samihafa toa ny tsy maintsy anànan’ny mpanamory moto taratasy fahazoan-dàlana hitondra izany. Izay rahateo ny ao anaty lalàna. Eo koa ny fanasiana takela-by ny kodiaran-droa mba hamantarana ny mpanamory raha sendra misy ny loza. Nandalo ihany anefa izany satria sarotra ny fampiharana ny lalàna rehefa tonga amin’ny baranahiny loatra hatramin’izay. Amin’izao vanim-potoana izao koa dia vao maika betsaka ny mamoaka moto noho ny fandraisana fepetra hentitra loatra amin’ny fampiasàna fiarakodia. Ho an’ny mpanamory moto dia matetika eo anivon’ireny fikambanan’ny mpakafy kodiaran-droa ireny no mba hany hifampizaràna hevitra sy fahaiza-manao. Eo izy ireo no mifananatra sy mifampizara traik’efa mba hialàna amin’ny loza. Tsy ampy anefa izany ary mila sehatra hafa izay hamerimberenana ny lalànan’ny fifamoivoizana sy ny fampiharana ny lalàna aorian’izay, mba hiarovana ny ain’ny olona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici