
Tokony ho tamin’ny fito ora hariva, ny zoma teo, no nirehitra ny trano lehibe iray tetsy amin’ny fokontany Tsaralalàna Fiata. Teo amin’ny rihana faharoa no nirehitra ary hatreto dia noho ny fifandonan’ny herinaratra (court-circuit) no heverina fa nitarika ny loza. Lehilahy efa nahazo taona no namoy ny ainy tao anatin’izany. Fianakaviana 12 izay misy olona manodidina ny 53 no tra-boina. Nisy ihany ny mba afaka namonjy havana mba nisitrihana fa kosa nisy ireo izay tsy manan-kialofana avy hatrany rehefa may ny tranony. Olona 22 no voakasik’izany ary dia nijanona teo an-tokotany izy ireo nipitrapitra sy niady saina. Etsy ankilan’izay, nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny trano mandalo elakekan-trano maromaro vao tonga any. Na dia akaiky mpamonjy voina aza dia nifanampy ny olona tamin’ny famonoana ny afo noho izany fahasarotana izany.
D.R





