Mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny mikasika ilay raharaha fandrobana mpandraharaha tany Moramanga ka nahazoan’ireo mpitandro filaminana voarohirohy volabe. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia re fa mbola naverina nohadihadiana tany Toamasina, indray ireo olona voarohirohy ireo, nanomboka omaly. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy mijanona hatreo amin’ireo olona efa voarohirohy ity raharaha ity. Omaly dia fantatra ary fa vehivavy iray ihany koa no nosamborina sy natao fanadihadiana, mbola mikasika ity raharaha mafampana ity hatrany. Tsiahivina fa ny alakamisy alina no sarona tetsy Moramanga ny fiara nitondra ireo mpitandro filaminana ireo, niaraka tamin’ny volabe tsy fanta-piaviana sy mampiahiahy tao anaty fiara. Niroso avy hatrany ny fisamborana sy fanadihadiana ireo mpitandro filaminana nahatratra azy ireto ary io mbola nitohy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka io amin’izao fotoana izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Nangonin’i m.L