Fomba malagasy mampiavaka ny firenena ny famorana, na didiam-poitra. Azo atao tsara ny manatateraka azy mifanaraka amin’ny vanim-potoana misy sy ny fivoaran’ny teknolojia. Izany dia entina hanampiana ireo zaza malagasy hoy ny teo anivon’ny fikambanana « Feno fanantenana. Ity hetsika ity dia niarahana tamin’ny Akademia miaramila na ACMIL, tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha 60 taona nisian’ny sekoly izao hetsika fanaovana asa sosialy izao ary tohin’ilay hestika « Raid » natao tany amin’ny faritra Androy sy Anosy tamin’ny fitsaboana maimaim-poana ny aty vava sy fitsaboana amin’ny ankapobeny. Nialohavan’izany ny fanomezana rà nataon’ireo miaramila tao amin’ny sekoly. Na eo aza ny fikambana « Feno fanantenana » tompomarika voalohany amin’izao didim-poitra faobe izao dia tsy tomombana izany raha tsy teo ny fiaraha tamin’ny ACMIL sy ny tolo-tanana maro tamin’ireo mpilatsaka antsitrapo sy ny fikambanana samihafa mpiara miombon’atoka hoy Rtoa Fanomezantsoa Hasiniaiana filohan’ny fikambanana « Feno fanantenana » eto Madagasikara. Nihorina tamin’ny taona 2024 ny fikambanana, miisa 79 ny mpikambana, fivondronana olona maromaro hanolo tena hanampy ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanaovana asa soa , araka izay fahafahany sy ny fotoana ananany ny « Feno fananatenana » ao Antananarivo no misy foibeny saingy misy masoivoho kosa eto Antsirabe sy ao Mahajanga.Fantatra fa andiany voaloha ity notanterahina ity fa mbola hisy ankizy misa 60 isa hatao didi-poitra amin’ity herinandro vaovao ity noho ny fahataran’ireo ray aman-dreny nanao ny fisoratana anarana mialoha. Ankaotra ny fanaovana didiam-paotra maimaim-poana dia notolorana fanampiana toy ny vary sy menaka ireo ray aman-dreny sahirana. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana Rtoa vadin’ny mpanolotsaina avon’ny fanavaozana Ny kolonely Rampanarivo Thierry, notron’ny lehiben’ny faritra, ny prefet an’Antsirabe, ny kaomandin’ny sekely ACMIL sy ireo manamboninahitra miaramila sy sivily.
Andry N.
Antsirabe : Zaza 70 isa natao didiam-poitra faobe
Articles qui pourraient vous intéresser





