- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAkademia Miaramila -Cuabe : Haharitra iray volana ny « tournoi fifankatiavana »

Akademia Miaramila -Cuabe : Haharitra iray volana ny « tournoi fifankatiavana »

Fiaraha-miasan’ny Akademia Miaramila sy ny kaominina ambonivohitra Antsirabe I ny lalao ara-panatanjahan-tena « tournoi fifankatiavana ». Haharitra iray volana ny lalao izay hatao ao amin’ny kianjan’ny Acmil. Fitsipika roa hotanterahina, ny lalao baolina kitra sy tsipy kanibe , ny Sabotsy 11 Jolay 2026  lasa teo no nanokafana ny lalao ara-pomba ofisialy izay nifanindrinan’ny polisy monisipaly sy ny Acmil. Natao ho an’ny rehetra ity fifaninana ity, maro ireo orinasa miankina sy tsy miankina no mandray anjara ary isan’ireo mpandray anjara ny mpianatra ho manamboninahitra mandrato fianarana ao amin’ny Akademia Miaramila. Ny fanatanjahatena izay sady fitazaim-batana no fialam-boly, natao hitazaina ny tanora mba tsy hirona amin’ny zavatra hafa mety hanimba. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha 60 taona nijoroan’ny sekoly ity hetsika ara-panatahantena ity. Ankoatra izay, mahatsiaro tena manana adidy lehibe amin’ny fampandrosoana ny faritra ny sekoly ka izany no mahatonga ny fiaraha-mientana amin’ny fikarakarana lalao ara-panatanjahantena toy izao.
Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici