Tafapetraka ny sabotsy maraina teo ny vondrona iarahan’ny tanora atao hoe ATF na ny « Antenimieran’ny Tanora ho an’i Fanavaozana » eto Toamasina renivohitra sy ny manodidina. Vondrona natao hiaro ny fitondrana fanavaozana izy ity, satria « plate forme » ny fikambanan’ny tanora maromaro nitolona no mametraka azy ity, ary tohanan’ireo olona rehetra manohana ny fanavaozana eto Madagasikara. Ny tanjona amin’izy ireo dia ny fahavitan’ny fikaonandoham-pirenena amin’ny antsakany sy andavany, ka aorian’izay dia afaka misitaka sy miala ireo fikambanana nametraka azy, hoy ny filohan’ny ATF nasionaly. Araka ny fantatra dia tonga avokoa ireo mpitolona manerana ny distrika maro ny faritra atsinanana niatrika ny fametrahana izany, ary nametraka azy tamin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana. Tao amin’ny CJST na CRJS teo aloha no natao ny fananganana izany, izay natrehen’ireo mpikambana maro tao anatin’ny distrika fito mandafitra ny faritra atsinanana. Vonona hifanome tanana sy hiara-dia amin’ny filohan’ny fanavaozana hatrany ireto tanora, mba hanatrarana ny tena fanavaozana marina ny firenena.
Malala Didier
Toamasina renivohitra sy ny manodidina : Tafapetraka ny « Antanimieran’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana » na ATF
Articles qui pourraient vous intéresser




