- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tambajotran’ny mpangalatra sy mpividy halatra voapaingotry ny zandary

Ambohimangakely : Tambajotran’ny mpangalatra sy mpividy halatra voapaingotry ny zandary

Ireo jiolahy folo voasambotra.

Anisan’ireo tontakely nampiakaikaika ny mponina teny amin’iny faritra Ambohipangakely sy ny manodidina iny izy ireto. Samy tafalatsaka tao anatin’ny haraton’ny zandary izy ireo ny herinandro teo ary samy voasambotra avokoa na ireo mpangalatra na ireo mpandray sy mpividy halatra. Araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia niainga tamin’ny fisamborana iray tamin’ireo mpamaky trano ny fahatratrarana ireto olona ireto. Ao anatin’ny famatrehana ny fandriam-pahalemana mantsy dia manao fisafoana hatrany ireo zandary ary misy ny paik’ady natao tamin’izany. Tamin’ireny fisafoana ireny no nahatratrana olona iray nampiahiahy teny an-toerana. Nosakanana avy hatrany ingahy ary tamin’izany no nahitàna piesy maromaro fanao amin’ny kamiao. Nibaradaka avy hatrany ingahy ary nilaza fa entana avy nagalariny ireo. Ary tsy niasa irery ingahy tamin’io fotoana io fa misy namany maromaro. Mazava ho azy fa natorony ny zandary avokoa ireo namany, niaraka tamin’izay olona efa mpandray ireo entana azon’izy ireo. Niroso teo ny famotorana nataon’ny zandary ka tsy ela dia voasambotra tsirairay izy ireo. Samy nahatratrarana entana halatra avokoa moa tao amin’izy ireo izay vosambotra ireo, araka ny vaovao hatrany. Marihina fa samy mipetraka eny Ambohidehilahy eny avokoa izy ireto raha ny fampahafantarana natao hatrany. Ireo mpividy entana halatra kosa dia misy avy eny Imerinkasinina, Ambohitrombihavana, Andranovao, Ambatotokana ary Ambohidehilahy, izay samy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely avokoa. Samy nentina notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy moa izy folo mianadahy ary atolotra ny Fampanoavana aorian’izay. Azo heverina fa hilamindamina indray aloha izany eny an-toerana taorian’izao vokatra azon’ny zandary izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici