- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-Divers67 Ha : Voasambotra i Solokely mpanendaka sy mpanao sinto-mahery

67 Ha : Voasambotra i Solokely mpanendaka sy mpanao sinto-mahery

Tamin’ny talata teo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 etsy amin’ny 67 Ha ny jiolahy antsoina hoe Solokely, 17 tona, monina eny Ankasina. Tsy lavitra ny fihantsonan’ny taxi-be 119 no nahazoana azy. Efa ela no nikarohana azy ity, malaza amin’ny fanendahana, sinto-mahery, fangalarana entan’olona anaty fiara. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa maro ny namany efa nampidirina am-ponja. Izy kosa anefa tafaporitsaka hatrany. Malaza amin’ny asan-jiolahy tokoa iny faritra iny ka hatreny Andohotapenaka. Io alin’ny faha-10 febroary io ihany, lehilahy roa hafa ihany kosa no tratra nanendaka mpandalo teny an-toerana. Rehefa nosavaina izy ieo dia mbola hita tany aminy ny vola 80 000 ariary sy ny finday vao avy nendahany. Fa mbola eny Andohatapenaka ihany, lehilahy iray antsoina hoe Tovo Maro, 23 taona, monina eny an-toerana, no notorian’ny mpampiasa azy ho nanala baraka sy nandrahona azy ny herinandro lasa teo. Voasambotra omaly alarobia 11 janoary 2015 tokony ho tamin’ny 6 ora maraina izy io.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona efatra ireto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser