- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversParc Tsimbazaza : Lehilahy hita faty, toa avy nodorana ?

Parc Tsimbazaza : Lehilahy hita faty, toa avy nodorana ?

Ilay razana hita.

Hatairana ny an’ireo nahita omaly, tetsy amin’ny valan-javaboary tetsy Tsimbazaza. Lehilahy iray sahabo ho 20 taona any ho any no hita teny an-toerana ary efa tsy nisy aina intsony. Nahitana faritra may ihany koa ny teo amin’ny tarehiny sy ny masony iny ary ny faritra manodidina ny razana. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any no nahitàna azy. Ny setroka nijolofotra sy ny lelafo no nanaitra ireo mpiambina ny valan-javaboary. Marihina fa tsy tao anatin’ny Parc akory no niseho izany fa teo ivelany. Raha ny vaovao azo, nikoropaka nijery io zava-misy io ireo mpiambina ary niezaka namono avy hatrany ny afo, mba tsy hitarany amin’ny manodidina. Tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa no voalaza fa nahitana ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io. Raha ny voalaza hatrany mantsy dia karazan’ireny olona tsy manan-kialofana ireny ity olona namoy ny ainy ity. Ary ankoatra ny tarehiny voarain’ny afo dia tsy nahitàna zavatra hafa tamin’ny faritra hafa tamin’ny vatany. Tsy ela dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy mantsy ny zava-nisy ary imason’ny halatra olona sy ankizy, ny fahitàna fatin’olona noviraviraina sy nanaovana habibiana etsy sy eroa dia efa maro ireo nilaza fa isan’izany ity lehilahy hita faty ity. Ny sasany aza nilaza fa efa nalaina ihany koa ny taova sasantsany, izay nambaran’ny tompon’andraikitra teny an-toerana fa tsy marina. Na izany aza anefa mampiahiahy ihany ny zava-misy ary efa mandray andraikitra tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga ity ireo mpitandro filaminana. Ny razana kosa dia efa nalain’ny Bmh ary nentina  eny amin’ny tranom-patin’ny HjRA Ampefiloha, miandry ireo mety ho olona mahafantatra azy na ny fianakaviany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici