- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana sy fisandohana andraikitra : Lehilahy milaza ho kôlônely sy mpanolontsainan’ny PRRM, voasambotra

Fisolokiana sy fisandohana andraikitra : Lehilahy milaza ho kôlônely sy mpanolontsainan’ny PRRM, voasambotra

Dia mahagaga loatra fa raha vao miova kely ny sata sy ny mpitondra dia tsy maintsy misy olona any manomana teti-dratsy foana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia lehilahy efa nahazo taona ihany no misandoka ho mpanolotsainan’ny Filohan’ny Fanavaozana ka maka vola etsy sy eroa satria hoe mahatafaditra ho mpiasam-panjakana. Dia ny mahazendana ange dia mbola maro ihany ireo olona tratrany sy tafajobony e! Na dia efa paikady efa nilaozan’ny toetrandro aza … Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia efa maromaro ihany ireo lasibatra sy nitaraina teny anivon’ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka nanao ny fikarohana sy ny angom-baovao rehetra mety hikarohana ity olona ity. Raha ny volaza mantsy dia mitety faritra maro eto an-drenivohitra ny lehilahy fa tsy mitoetra amin’ny toerana iray. Eo amin’izay no mandeha ny fampiresahana sy ny fivarotana olona am-pitsanganana. Milaza mantsy ingahirainy fa manamboninahitra kôlônely eo anivon’ny zandary no mbola mpanolontsain’ny Filoha. Mazava ho azy, milaza ho maha-tafiditra mpiasam-panjakana ranamana no manana kôtà sy fahefana izy, izay ahafahany mampiditra ho zandary. Raha ny endrikendriny sy ny firesany dia tena amin’ilay hoe « ra-maitre mahavaha olana » araka ny fitenin’ny tanora izay. Kanefa tsy izay loatra no niseho. Nony azony ny vola dia any dia tsy hita ingahy. Teny amin’ny faritra Andravoahangy teny ity mpisandoka ity no tratehaky ny zandary taorian’ny angom-baovao maro isan-karazany. Tamin’ny fisamborana azy aza, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandary dia mbola sahy nilaza fa tena manamboninahitra lefitra niala an-daharana izy. Rehefa natao anefa ny fijerena ny arsivan’ny zandary dia tsy voasoratra n’aiza n’aiza tao ny anarany. Maika moa fa hoe « mpanolotsainan’ny Filoha ». Midika tsotra izany fa mpisoloky sy mpisandoka andraikitra ranamana. Teo ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary tetsy Betongolo ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Etsy andanin’izay manainga ireo rehetra efa noharan’ny fisolokian’ity lehilahy ity ny zandary mba ho tonga eny Betongolo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici