
Nitrangana halatra tariby mitondra herinaratry ny Jirama tao amin’ny fokontany Tomboarivo Antsirabe tsy ela akory izay, niteraka fahatapahan-jiro tamin’ny toerana maromaro izany, efa nisy ny fandraisana an-tanana nataon’ny teo anivon’ny jirama mahakasika ity halatra tariby tao atsinana’ny fokontany ity. Manoloana izany sy ireo trangana tsy fandriampahalemana, tonga nanao fanentanana teny ifotony ny avy eo amin’ny Sampandraharan’ny ny filaminam-bahoaka eto Vakinankaratra notarihan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka komisera Talily Damy. Nandritra ny fivoriam-bempokonolona no nanaovana izany. Nambaran’ity farany fa ilain’ny polisy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny fanomezana ny vaovao mba hisoroahana ny loza sy trangana-tsy fandriampahalemana mety hiseho , anisan’izany ny fanafiahana, fa fikasana fotsiny ihany aza. Ankoatra izay , nitondra fanazavana mahakasika ny karazana herisetra sy ny fisehonay ary ny sazy mifanandrify amin’izany ny BFP na « Birgade Féminine de Proximité » izay hita fa tena nahasarika ny maro tokoa. Mahakasika ireo tarobian’ny jirama misy mangalatra kosa, nambaran’ny talen’ny jirama eto Vakinankaratra fa tokony alahady ihany no hisy ny fahatapahan-jiro noho ny resaka fikojakojana hatao, raha mitranga izany amin’ny andro fiasana dia tokony ho mailo ny rehetra fa halatra tariby an’ny jirama no misy ka mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra. Voaresaka nandritra ity fivoriam-ben’ny fokontany ihany koa ny fampahafantarana fa hisy ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ka hisy ireo vaomiera hitety trano handray ny anarana isan-tokatrano satria lisitra vaovao mihitsy no hatao.
Andry N.




