- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsBakalorea Atsinanana sy Alaotra-Mangoro : 61 taona ny zokiny indrindra sokajy A2,...

Bakalorea Atsinanana sy Alaotra-Mangoro : 61 taona ny zokiny indrindra sokajy A2, 10 taona ny zandriny mbola sokajy A2

Niavaka ny bakaloreo ho an’i Toamasina tamin’ity taona ity, satria samy manana ny oniversite mpikarakara izany ny faritra Atsinanana sy Alaotra-Mangoro mitambatra, sy ny faritra Analanjirofo sy Ambatosoa miaraka. Raha ny tarehimarika dia miisa 24.183 ny isan’ny mpiadina niatrika ny bakalorea taty Atsinanana sy Alaotra-Mangoro, ka ny 22.887 no sokajky ankapobeny amin’izany raha miisa 1.296 ny sokajy teknika amin’izany. Araka io tarehimarika io hatrany dia miisa 22.198 ny kandidan’ny sekoly raha 1.985 ny kandida amin’ny tenany manokana. 61 taona ny zokiny indrindra amin’izany izay avy eto Toamasina renivohitra sokajy A2, raha 10 taona ny zandriny avy ao Moramanga mbola io sokajy A2. Nosokafana tao amin’ny ivon-toeram-panadinana lycée Jacques Rabemananjara Toamasina renivohitra ny fanadinana bakalorea teto Toamasina tamin’ity taona ity. Tonga nanokatra izany ireo solontenam-panjakana samy hafa notarihan’ny  fileovan’ny Toamasina sy ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ary ny solontenan’ny ben’ny tanana Toamasina Renivohitra, teo koa ireo olo-manakaja maro. Nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fanadinana, ka saika tonga talohan’ny 7ora maraina avokoa ireo mpiadina izany nanombohan’ny fiantsoana anarana, ary tamin’ny 7ora sy 30 minitra ny fanokafana ny laza adina voalohany filozofia nanombokana izany. Nanamarika ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina mpisahana ny fanadinana fa iray volana aorian’ny fanobohan’ny fitsarana izany izay ahitana ireo mpampianatra rehetra, ao anatin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra-Mangoro, no hivoaka ny voka-panadinana izay ho hita mivantana sy amin’ny tranokalan’ny oniversite ary ny tambanjotram-pifandraisan-davitra mpiara-miasa amin’izy ireo ihany koa. Nitsodrano ireo manala fanadinana rehetra ny lehiben’ny faritra atsinanana sy ny ben’ny tanana ary ireo manam-pahefana samy faha teto Toamasina, mba ahefa be amin’izany fanadinana izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici