
Tao amin’ny » Espace Tiana Royal » ny marainan’ny sabotsy 18 jolay 2026 teo iny ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny fikambanana Terak’Androy eto Betsiboka sy ny ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny filohan’ny nasionalin’ny fikambanana Terak’Androy eto Madagasikara na FITEAM, Andriamatoa Milavonjy Andrianasy Philibert no tonga nametraka izany tamin’ny fomba ofisialy, izay nontronon’ireo tomponandraikim-panjakana maro isan-tsokajiny. Nampifantarina teo anatrehan’ny rehetra, indrindra ny Terak’Androy monina aty an-toerana, fa Andriamatoa Tsiatsify Ludovic no voatendry ho filoha mpitarika ny fikambanana Terak’Androy ato anatin’ny faritra Betsiboka, raha toa ka Andriamatoa Mananiraka kosa no filoha mpitarika, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Izy ireo dia voafaritra ao anatin’ny fitsipika hifampifehezan’ny fikambanana, hitantana mandritra ny dimy taona. Nandritra ny fandraisam-pitenena nataon’ny filoha Nasionaly no tsy nikoso-maso ny tenany nanao hoe: tsy misy olom-belona ho milolo lanitra, dia tanteraka avy koa ny zavatra ataony eto ambonin’ny tany, saingy raha misy ny handisoan’ireo zanak’Androy, dia hanaro ny amin’ny lalana tokon’ny halehany izy ireo. Aoka kosa hoy ity farany ny mety hisian’ny fanambanana basy sy fanararaotam-pahefana atao amin’ireo Terak’Androy ny amin’ny tsy misy antony. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa natao izao fananganana ny fikambanana tamin’ny fomba ofisialy izao mba fitsinjovana ny zanak’Androy mila ravinahitra manerana ny Nosy. Tany amin’ny taona 2022 moa no efa nitsangana ny fikambanana Terak’Androy amin’ireo disitrika roa, ato anatin’ny faritra Betsiboka.
Ratantely



Fisainana tsy mandroso ny tribaliste