- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanapoizinana ara-tsakafo : Zaza roa maty nihinana soka-dranomasina

Fanapoizinana ara-tsakafo : Zaza roa maty nihinana soka-dranomasina

Ny faran’ny herinandro lasa teo, nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny ditriskan’Antalaha iny. Maro ireo voatery nahiditra hopitaly vokatr’izay ary nisy mihitsy ny namoy ny ainy, izay zazakely avokoa.

Tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nampandrenesin’ny sampan-draharahan’ny jono tany an-toerana ny zandary fa nisy ankizy telo taona namoy ny ainy vokatry ny fihinana henan-tsoka-dranomasina tao amin’ny kaominina Ambohitralalina. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary. Talohan’io moa dia efa nisy ny fandraisana an-tanana nataon’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny tany an-toerana ary anisan’izany ny teo anivon’ny tobim-pahasalamana. Fantatra fa tamin’izany fa manodidina ny 106 olona teo ho eo no voalaza sy voatily fa nihinana io henan-tsokatra io. Nisy tamin’izy ireo no voatery nahiditra hopitaly noho ny faharatsian’ny toe-pahasalaman’izy ireo. Anisan’izany ireo zazakely miisa roa : telo taona ny iray ary 18 volana ny iray, izay samy indrisy fa niara-namoy ny ainy taorian’ny fihinanana io hazan-drano misy poizina io. Ireo ambiny kosa mbola arahi-maso eny anivon’ny hopitaly raha misy kosa ireo sasany efa nalefa nody. Na izany na tsy izany aza anefa dia nampiantso fivoriana maika avy hatrany ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB-II Ambohitralalina tamin’io fotoana io. Ny tanjona tamin’izany dia ny hanaovana fanentanana maika amin’ny mponina ny tsy maintsy hanatonana ny CSB-II faran’izay haingana ho an’izay olona rehetra nihinana henan-tsokatra, hoy ny fampitam-baovao. Tetsy an-danin’izay kosa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ny teo anivon’ny zandary.

Marihana fa efa nisy fotoana nampitondra faisana olona maro ny fihinana soka-dranomasina na ihany koa hoe fano. Efa  noraràna araka izany  ny fihinana sy fanjonoana azy io kanefa dia izao misy misy miverina izao indray. Ny tsy fahafantarana fa etsy andaniny ihany koa ny tsy fisian’ny hohanina matetika no mahatonga ny olona miroso amin’ny fihinanana izay soka-dranomasina izay, raha angom-baovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici