- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManerinerina RN4 : 4x4 nahafaty zaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Manerinerina RN4 : 4×4 nahafaty zaza, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tonga haingana teny an-toerana ny zandary taorian’ny fampandrenesana azy ireo. Mbola teo an-toerana ilay fiara nandona sy ny razana, ary ny fokonolona efa nentin-katezerana ka saika hitroatra. Soa ihany, nisy ny fifampiresahana…

Ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ankizikely tokony ho 6 taona teo ho eo no maty tsy tra-drano, rehefa nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana iray teo amin’ny Pk 147+900, tao amin’ny fokontany Manerinerina, distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavana azo dia niampita tampoka ity ankizy ity. Somary nandeha mafy ihany koa tetsy andanin’izay ilay fiara Land Rover, ary tsy nahatazana velively an’ilay ankizy. Voalaza mantsy fa tao ambadiky ny fiara iray nijanona teo an-toerana no niampita ity zaza ity, antony tsy nahatazanan’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana azy mihitsy. Mafy dia mafy ny fifandonana, na dia niezaka nanitsaka hisatra aza ny mpamily. Somary nisavoana ary nipitika mihitsy ilay zaza voadona, izay vao niakarapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy moa dia indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. 

Vetivety teo dia niangona ny fokonolona ary nanome tsiny avy hatrany ilay fiara. Ity farany, izay tsy nitsoaka, dia niandry ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana teo an-toerana. Tonga ara-potoana ireto farany ka nisoroka ny fahatezeran’ny vahoaka, izay saika nianjera tamin’ireo tao anaty fiara. Nisy avy hatrany mantsy ny fandaminana azy ireo tsy hikasin-tanana, satria voararan’ny lalàna velona eto amintsika ny fitsaram-bahoaka. Mora nalamina sy nanaiky ny fandaminana rahateo ireo fokonolona, ary tamin’izay ihany koa no nararaotina nanentanana ireo ray aman-dreny mba hanara-maso tanteraka ny zanany sy tsy hampirenireny azy ireny eny amin’ny arabe.

Tetsy andanin’izay moa, efa tonga teny an-toerana ny mpitsabo ary nanao ny fitiliana ny razana, nialohan’ny nanolorana azy tamin’ny fianakaviany. Ny mpamily kosa notanana natao famotorana, ary ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Manerinerina no manao izany. Tsara marihina fa ny lalàna velona eto amintsika, ao anatin’ny fehezan-dalana famaizana andiny faha-319, dia milaza mazava fa ny vono olona tsy niniana natao, toy ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, dia mety hampigadra telo volana ka hatramin’ny roa taona an-tranomaizina, ary lamandy roa hetsy ka hatramin’ny enina tapitrisa ariary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici