
Vita soamantsara ny marainan’ny zoma 17 jolay taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 10 ora tany ho any, tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’i Tsaratanàna, ato amin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka ny famindram-pitantanana teo amin’ny » Officier de Police » Randriamanjato Herinambinina Élisa, lehiben’ny Kaomisaria teo aloha sy ny » Officier de Police » Razafindratavy Richard, lehiben’ny Kaomisarian’i Tsaratanàna vaovao. Am-pirahalahiana tanteraka no nanaovana izany. Ny lanonana nisy kosa, dia notarihan’Atoa talem-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka sy ny lehiben’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ary ny filohan’ny FIVAPOVA Betsiboka sy ny mpikambana ao aminy, ary ireo polisy miasa any amin’ny renivohitry ny disitrika voalaza etsy aloha. Taorian’ny famindram-pitantanana dia nanararaotra namory sy nametraka paikady hoenti-miady, amin’ny tranga tsy fandriampahalemana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka. Nandritra izany ihany koa nanomezany toromarika momba ny fanajana ny fitsi-pifehezana mifehy ny asa maha polisy, indrindra ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ary ny fampiharana hatrany ny polisy manakaiky vahoaka.
Ratantely




