- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN44 : Ben’ny tanàna namoy ny ainy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana

RN44 : Ben’ny tanàna namoy ny ainy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena faha-44, mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka iny, ny faran’ny herinandro teo. Moto iray notangenan’olon-droa no nifandona tamin’ny fiarabe, teo Morarano Gara, distrikan’i Moramanga. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpamilin’ilay kodiaran-droa, izay tsy iza fa olom-boafidy iray avy ao amin’ny kaominina Bembary.

Ny zoma teo no nitranga ny loza, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva tany ho any , teo amin’ny pk21+800, teo amin’ny toerana antsoina hoe Avaratriniala, fokontany Marovoay, kaominina Morarano Gara. Tao anaty lala-mahitsy no sady malalaka ivelan’ny tanana no nisehoan’izany, hoy ny fampitam-baovao azo. Avy any Moramanga hianavaratra ity moto nentin’Itpk Morabe Joseph, ben’ny tananan’i kaominina Bembary ity no tojo tampoka an’ilay fiarabe. Nijanona teo amin’ny ankavanan-dalana ilay fiarabe raha ny fantatra ary ankevitry ny tsy nampoizin’ilay mpamily môtô ny fisiany. Mazava ho azy, tsy tana ny loza ary nifatratra tao amin’ny vodin’ilay fiarabe ilay kodiaran-droa. Mafy dia mafy ny dona, raha ny hita tamin’ny fahavoazan’ilay fitaovana. Ity farany izay tena potika tanteraka moa. Naratra mafy vokatr’izany ireo olona roa teo ambony môtô, saingy ilay nitondra azy no tena voa mafy. Vantany vao nitranga ny loza dia tonga avy hatrany teny an-toerana ny zandary ary niezaka namonjy ireo niharan-doza sy nitondra azy tao amin’ny hôpitaly tao Moramanga. Indrisy anefa fa noho ny fahaverezan-drà sy ny dona mafy nahazo azy dia tsy tana ny ain’ilay Ben’ny tanana na dia teo aza ny ezak’ireo mpitsabo. Tsy misy atahorana kosa ary mbola manaraka fitsaboana ilay olona nentiny hoy ny vaovao.

Niditra an-tsehatra tamin’ny famotorana mahakasika ity loza nahafaty olona ity avy hatrany moa ny zandary. Notazomina natao andrimaso ho amin’ny fanadihadiana azy kosa tetsy andanin’izay ilay mpamilin’ilay fiarabe.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici