- Publicité -
mardi, septembre 15, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKorontana ao Ambohimahasoa : Tovolahy voatifitry ny pôlisy, nokasain’ny olona hodorana ny kaomisaria

Korontana ao Ambohimahasoa : Tovolahy voatifitry ny pôlisy, nokasain’ny olona hodorana ny kaomisaria

Mafampana ny toe-draharaha tao an-tampon-tanan’Ambohimahasoa tao omaly. Misy andian’olona maromaro nirohotra nihazo ny kaomisarian’ny pôlisy ary mitaky ny marina mahakasika ny fitifirana ary nahafaty tovolahy iray tao an-toerana. Efa nampirehitra afo sy kodiarana teo ivelan’izany biraon’ny mpitandro filaminana izany ireto olona marobe ireto ary voalaza mihitsy fa saika handoro an’io birao io. Efa niatrana ireo mpitandro filaminana, miaro ity toerana voasokajy ho faritra mena ity.

Nanomboka omaly maraina no nidina an-dalambe nilanja sorambaventy  « justice pour safidy » ny andian’olona maromaro tao an-tampon-tanan’Ambohimahasoa. Izy ireo izay mitaky fa tsy ara-drariny ny fitifirana nataon’ny pôlisy an’ity tovolahy ity, izay nitarika ny fahafatesany. Araka ny feo mandeha any an-toerana mantsy dia « toa hoe mpitandro filaminana mamo  no  nitifitra sy nahafaty azy ». Niafara teo amin’ny biraon’ny kaomisaria ny diabe nataon’izy ireo ary raikitra teo ny savorovoro sy ny korontana, izay tonga hatramin’ny fandorana kodiarana sy io fikasàna handoro an’io tranom-panjakana io.

Ny teo anivon’ny pôlisy moa dia nanizingizina fa olon-dratsy saika hamaky trano no voatifitra. Araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo mantsy, ny vao mangiran-dratsy, ny marainan’ny alahady teo dia nisy nampilaza izy ireo fa misy olona mampihiahy niahika tamboho ary niezaka hiditra an-keriny tao an-tranon’olona. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy ary niroso tamin’ny fisamborana ilay tovolahy. Tsy nanaiky mora izany fisamborana izany anefa ity farany ary voalaza fa saika mbola hanohitra : nikasa ny hanindrona antsy ny pôlisy iray. Voatery niaro tena ireto farany ary nitifitra azy ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Toe-javatra izay ambaran’ireo andian’olona fa tsy marina velively ka izao niafara tamin’ny korontana izao.

Raha ny fampitam-baovao azo hatramin’ny omaly nanoratanay dia voalaza fa efa miha-miverina tsikelikely ny filaminana any an-toerana ary efa voafehy sy nanaiky fandaminana ireo fokonolona ireo. Ny raharaha kosa dia efa mandeha ny fanadihadiana ary ho alefa eny amin’ny fitsaràna.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici