Anio tatala 28 jolay no daty voatondro fa hanombohan’ny ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea eto Vakinankaratra. Mety hivoaka manodidina ny datin’ny 20 jolay 2026 any ho any ny valim-panadinana raha tsy misy ny fihoavana araky nambaran’ny teo anivon’ny ofisin’ny Bakalorea eto Vakinankaratra. Araky ny fanazavana hatrany, manodidina ny 500 ireo mpitsara nantsoina hanatanteraka ny fitsarana, tanjona ny hanatrarana io daty nomena io, sy hahafahan’ny asa fanitsiana mizotra ara-dalàna ka ho azo antoka sy manaja ny fenitra ny valim-panadidiana hivoaka eo.
Mbola mitohy amin’ity herinandro manaraka ity ny bakalorea ho an’ny teknika. Hentitra ny fitandroana ny fandriampahalena sy fanaraha-maso ireo mpiadina eto Antsirabe.
Andry N.


