- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKorontana tao Ambohimahasoa : Nanokafana fanadihadiana ilay pôlisy nitifitra olona

Korontana tao Ambohimahasoa : Nanokafana fanadihadiana ilay pôlisy nitifitra olona

Nesorina haingana tao an-toerana ilay pôlisy « inspecteur » ary nentina nihazo an’i Fianarantsoa, hiatrika ny famotorana sy ny fanadihadiana azy. Ity mpitandro filaminana ity moa ilay voatondro ho nitifitra nahafaty an’ilay tovolahy tao Ambohimahasoa.

Ny harivan’ny alatsinainy teo ihany, taorian’ilay savorovoro nitranga tao Ambohimahasoa, dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny polisim-pirenana, nijery akaiky sy niezaka nandamina ny toe-draharaha. Araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo vahoaka tezitra sy ireo tompon’andraikitra. Nisy araka izany ny marimaritra niraisana ary niverina tamin’ny laoniny ny filaminana any an-toerana hatreto. « Ekena fa nisy ny fifampiresahana fa tsy midika akory izany fa havela fotsiny amin’izao ny mpanao ratsy … », hoy ireo solon-tenan’ny vahoaka. Mitaky zavatra telo moa ireto vahoaka dia ny fampidirana am-ponja an’ilay pôlisy, ny fialàn’izany tsy ho mpitandro filaminana ary ny tsy fanitsahany intsony an’Ambohimahasoa. Tetsy andanin’izay dia mitaky ny rariny ny fianakavian’ilay tovolahy voatifitra satria nambaran’izy ireo fa tsy olon-dratsy velively izy io ary tsy nitondra fitaovam-piadiana izany. Izy ireo moa izay araka ny angom-baovao azo hatrany dia hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsaràna.

Tetsy andanin’izay dia nanamafy teo ny anivon’ny pôlisim-pirenana fa « izy ireo dia manatanteraka ny politikan’ny fitondràna Fanavaozana ka tsy manaiky velively ny hisian’ny kiantranoantrano ary manasazy raha toa ka misy tokoa ny hadisoana nataona mpiasam-panjakàna eo anivon’ny Polisimpirenena. Mametraka ny fandriam-pahalemana ihany koa  ny polisim-pirenena ka mampiasa ny fahefàna eo aminy hiarovana ny vahoaka sy ny fananany ka tsy manisy tombo sy hala amin’ireo voalaza fa jiolahy ». Nanentana ny vahoaka tao Ambohimahasoa ihany koa ny lehiben’ny kaomisaria tao an-toerana mba hiverina amin’ny asa andavanandro ary hatoky ny fitsaràna, satria efa izy ireo no mandray an-tanana ny raharaha, hoy izy.

Tsiahivina fa nidina an-dalambe ny mponina tao Ambohimahasoa, ny andron’ny alatsinainy teo, mitaky ny rariny noho ny fitifiran’ny polisy tovolahy iray antsoina hoe Safidy izay voalazan’ireto farany fa jiolahy saika hamaky trano. Nisy ny doro kodiarana ary saika niafara tamin’ny fandorana ny kaomisaria mihitsy izany, noho ny hatezeram-bahoaka.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici