- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaramalaza : Mpizaika maty natelin’ny rano

Ankaramalaza : Mpizaika maty natelin’ny rano

Tovolahy iray mbola erotrerony no maty natelin’ny reniranon’Ambahive ny tolakandron’ny alahady teo. Raha ny fantatra dia isan’ireo mpizaika ao amin’ny tobin’Ankaramalaza izy. Sendra mba nisy fotoana nalalaka kely ary nanaraotra nilalao rano, kinanjo loza nihatra aman’aina no nitranga. Niezaka ny tompon-tany sy ny mpitandro ny filaminana nanao ny fikarohana. Efa elaela taty aoriana vao navoakan’ny rano ny razana. Tohina ny olona nanoloana ny zava-nitranga, indrindra ireo izay hivavaka ny anton-dia kanjo loza no nitranga. Na izany aza anefa dia niara-nitrotro am-bavaka ny niharam-boina ireo mpizaika mba hanamaivana azy ireo amin’ny fahoriana nianjady. Voalaza fa tsy mpilomano ary tsy nahay nilomano ilay tovolahy ary isan’ny niteraka ny filentehany izany ka nahafaty azy. Amin’ny vanim-potoana tsy anaty fahavaratra toa izao dia mamitaka hatrany ny rano. Rehefa jerena ivelany mantsy dia toa milamina tsara sy tsy mihetsika. Matetika anefa dia ireny indrindra no misy lavaka be ao ambaniny. Indraindray lavaka vokatry ny fitandrahana fasika ary tena mampilentika olona satria lasa mihodina ny rano rehefa miditra anaty lavaka. Tsara ihany, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra toa izao ny manontany ny tompon-tany izay mahafantatra tsara ny toetry ny rano ary koa manaja ny fady raha misy izany. Efa namono olona maromaro sahady mantsy izay ny rano sy ny ranomasina hatramin’ny niandohan’ity fialan-tsasatra ity. 

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici