- Publicité -
dimanche, septembre 20, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCocaïne : Tanora telo karohina noho ny trafika iraisam-pirenena

Cocaïne : Tanora telo karohina noho ny trafika iraisam-pirenena

Trafika iraisam-pirenena zava-mahadomelina « cocaïne. Izay no antony hikarohana azy ireo. Namoahan’ny zandary misahana ny raharaha heloka bevava filazàna fikarohana ny momba azy ireo nanomboka ny talata teo. Ny voalohany tovovavy antsoina hoe OLACE Ramadaniaina Soa, 28 taona. Ny faharoa RABE Richicarde dit CARDE, 32 taona. Ny farany, VELONJARA Ronaldo Anderson dit VEVE, 32 taona. Avy eo Ambohipo sy Andohanimandroseza izy telo ireo ary heverina ho mpiray tambajotra. Misy ary tena misy eto amintsika ny trafika cocaïne. Sarotra amin’ireny entana ireny ny famarotana azy mivantana satria efa tena mafy ny fanaraha-maso iraisam-pirenena. Mila havadika ary omena endrika arak’izany ary matetika dia eto Madagasikara ny ampahan’ny tambajotra manao an’izay. Manarak’izay, ny maha-nosy ny firenena koa dia manintona ity karazana trafika iraisam-pirenena ity. Mora kokoa ho an’ireo olon-dratsy avy eo ny manaparitaka azy eny amin’ireo firenana manodidina toa ny nosy Maurice izay betsaka koa ny mpidoroka ao. Torak’izany koa ny afrika atsinanana izay miampita fotsiny dia tonga ao ny entana. Eo koa ireo nosy manodidina. Etsy ankilan’izany koa anefa dia misy ny varotra anatiny ary miparitaka eny amin’ireny toeram-pandihizana ireny, indrindra ireo tena fandehanan’ny mpizaha tany. Dia mbola misy koa ireo bizna anatiny izay matetika dia afangaro karazana akora simika ireo cocaïne ary amidy mora avy eo. Iny ilay manomba tanora maro ankehitriny satria lasa fangaro maha-lasa adala haingana no amidy. Loza mitatao hatrany ny cocaïne na inona na inona endriny.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici