
Anisan’ny dahalo efa ela nokarohina amin’ny resaka halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana, any amin’ilany tapany avaratry ny disitrikan’i Maevatanàna iny ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe: Honoré. Ny angom-baovao voaray no nahalalana, fa ny talata faha-28 jolay taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro mahery minitra maromaro tany ho any dia naharay antso an-tariby ny lehiben’ny zanatobim-paritry ny zandary ao amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, mikasika ny andian-dahalo niisa telo nirongo fitaovam-piadiana, toy ny basim-borona iray sy famaky, nanao sakana sy nandrava ombin-tsarety nandeha nody tany Betainkilotra, teo amin’ny tora-pasika ambanin’Ankalamilotrakely. Taorian’izay anefa dia tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana telolahy, fa nidina tany an-toerana nalaky niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy vitsivitsy sy ny tompon’omby. Raha vao nahatazana azy ireo ny olon-dratsy dia nirifatra nitsoaka ny roalahy niaraka tamin’ny basy, saingy ny iray mbola nikiry nitondra ny ombin-tsarety. Efa nanjanona tamin’ny tifi-danitra imbetsaka, ity farany fa nanohy ny diany tsy nisy hataka andro hatrany sady namaly tamin’ny tora-bato sy ompa variraraka. Tamin’izay indrindra no voatery tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro ny filaminana. Vokany: Maty noho ny haben’ny rà very ilay olon-dratsy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa nankasitrahan’ny mpitondra tao Berivotra 5/5 sy ny vahoaka ny fihetsika araka asa nasehoan’ireo zandary teto.
Ratantely



il est mort sur la photo ??