
Notontosaina ny alarobia teo ny fanomezana ara-bola ho an’ireo olona nanainy niala an-tsitra-po tao amin’ny tanin’ny seranan-tsambon’i Toamasina atao hoe « Port Sec III » nafindra « Port Sec II ». Niisa 63 ireto olona ireto notolorana izany izay mbola miampy tany mirefy 250m² maimaim-poana miaraka amin’ny taratasin’ny tany azony, ary mbola hitihy ny hetsika rehetra ao anatin’izany. Natao izao hoy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambo ho fitsinjovana ireo nanana trano noravaina tao amin’ny « port sec III », satria « na nividy aza izy ireo dia tratry ny fisolokiana natao na fikambanana milaza ho mpizara tany sy mpivarotra tany tamin’izany fotoana izany ka tafaroboka ». mahatratra 10 tapitrisa ariary hatramin’ny 20 tapitra ariary ny vola natolotra azy ireo arakaraky ny tranony, na vita amin’ny hazo na natao simenitra. « Orinasa mpitsinjo fiaraha-monina sy ao anatin’ny fiaraha-monina ny Spat » hoy ny tale jeneraliny Randriambahoaka Heritiana Anicet, ilaina ny fifampitsonjovana amin’izay atao ; satria izay nolazaina rehetra dia notanterahana avokoa ary ny asa koa hanomboka tsy ho ela, ka izay no mahatonga ny fandravana efa nandeha tato ho ato. Niatrika izay hetsika izao ny minisitry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro misahana ny seranan-tsambon’i Toamasina Atoa Ramanambola Herizo, sy ireo manam-pahefana teto an-tanana Toamasina I sy II ary Fenerivo atsinanana. Nambaran’ny minisitra nandritra izany fa hanome tosika ara-toe-karena haingana an’i Madagasikara sy i Toamasina ny fahavitan’ny toerana fiantson’ny fiara vaventy eo amin’ity toerana ity ; satria ho maro koa asa hiforona sy vola hihodina ao anatiny ». Ankoatra ireo fanomezana sy fanampiana nataon’ny Spat tamin’ireto olona nibodo ny taniny an-taonan’ny maro, dia mbola nanambara ihany koa ny Spat tamin’izao lanonana izao fa hohatsaraina ny lalana ahafahan’ny olona mivezivezy ao an-toerana, sy ahafahan’ireo fitarena samy hafa mihazo ny tanana vaovao vao ahorina ity. Mbola mitohy ihany koa ny fanaovana ny « guichet unique » ho an’ireo mponina tay rototra sy tara, ka efa manomboka ny fandraisana ny antotan-taratasy maha azy ny tany ahafahany misitraka ilay fanampiana avy amin’ny Spat izao ity. Misy koa andiana mpisolovava nalain’ny seranan-tsambo hanampy ireo mponina tamin’ny fisolokiana azy tany amboalohany nomena ireto monina tsy maintsy miala, ka afaka mitory hanonerana ireo volany ny vahoaka nahatsiaro voasoloky tamin’izany.
Malala Didier


