- Publicité -
mardi, septembre 22, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Ombay mitady, tany amin’ny vadikely

Ambohimanambola : Ombay mitady, tany amin’ny vadikely

Ny vady aman-janaka efa nikorotan-tsaina, ny fianakaviana efa nampandrenesina ny fahaverezana. Efa nandeha hatramin’ny fampitàna tamin’ny tambajotra sosialy ny ombay mitady. Hafa mihitsy no nitranga anefa : lasa tany amin’ny vadikeliny ilay rangahy ary nijanona ela tany. Tao anatin’izay koa anefa dia io vadikely io indray no niantso ny tompom-bady tamin’ny laharana miafina fa hitany ny misy ilay rangahy. Teo no nanomboka nisy ny ahiahy ary natao ny vela-pandrika rehetra. Saron’ny zandary ilay ramatoa mpangala-bady ary hita koa rangahy. Notazomina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana noho ny famelàna tokantrano ny lehilahy, ny vehivavy kosa dia noraisina ho mpiray tsikombakomba amin’ny fampirafesana. Ahitàna karazan-javatra tato ho ato momba ity fikorotanan-tsainan’ny olona amin’ny fahaverezana etsy sy eroa ity. Lasa fanao haingana be ny ombay mitady raha vao tara kely ny fodiana na misy fiovàna ny lera momba izany. Misy ny tena tsy hita ary karohina fa misy kosa no antony izay tsy misy hidirany amin’ny tsy fandriam-pahalemana mihitsy, toa ity fampirafesana hafahafa ity…

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici