- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Zaza menavava, maty natao sorona

Faratsiho : Zaza menavava, maty natao sorona

Iray volana sy herinandro i Lucas, zazalahikely. Mbola menavava arak’izany. Nalaina an-keriny tao amin’ny fokontany Ambatomitety-Morarano (distrika Faratsiho) niaraka tamin’ny reniny, antsoina hoe Haingo. Nanaovana ombay mitady izy mianaka nanomboka ny zoma lasa teo. Ny alahady maraina dia hita izy mianaka. Ny reny zara raha nahatsiaro tena ary ny zaza efa maty, potika ny lohany, ny karan-dohany. Ilay zaza efa maty nataon’ny reniny tao anaty akanjo ary itsy voalohany zara raha afa-nihetsika. Na izany aza anefa efa afaka namaly ny fanontanin’ny zandary ny sisa tsy maty. Isan’ny nambarany fa nisy olona naka izy mianaka ary tsy tompon’ny tenany izy nanomboka teo. Nilaza mazava ireo olona fa hatao sorona ilay zaza. Nakapok’ireo olon-dratsy tamin’ny vato nony avy eo ny lohany. Rehefa vita izany sy izay mety ho nataon’ireo, araky ny fanazavan’ilay reny very zanaka ihany, dia naterin’izy ireo tsy lavitra ny tranony izy roa. Ny andron’iny ihany dia nijery ny manodidina ny zandary, indrindra rehefa nahazo fanahiana avy amin’ny fokonolona momba ny fisian’ny lozoka (toeram-pitrandrahana vato) iray eto an-toerana. Rehefa nojerena ny tao anatin’ny lavaka dia nisy afo efa novonoina. Ahiana ho mety hamonoana ny fofon’ny alika mpitsongo dia izany, raha ny fijerin’ny mpitandro ny filaminana azy. Isan’ny mitontona eo ny ahiahy hatreto. Momba ny raim-pianakaviana indray dia nilaza izy fa niasa toy ny andavanandro tany an-tsaha ary tsy nahita izay zava-niseho. Nivarahotsana ny mpiray tanàna no sady ontsa raha naheno sy nahita izy tranga ity. Mizotra tanteraka any amin’ny sorona izany ankehitriny ny zava-misy eto amintsika raha toa ka manamarina an’izany ny fanadihadiana izay efa mandeha ankehitriny. Iza no mpanao sorona ? Raha ny ahian’ny mpanao famotorana ara-pitsaràna ka raisina amin’ny fanazavana farany teo dia isan’izany ny fikambanana miafina. Eto koa anefa, raha mitombina ny fanadihadiana izay efa mandeha, dia ahiana mafy ny mpanao fitrandrahana vato sy harena an-kibon’ny tany. Dia mbola misy alehan’ny saina fahatelo koa ny hoe fanakorontanana ara-politika. Ny antony mantsy dia misy olona novonoina fotsiny tsotr’izao ary tsy nisy na inona na inona mety ho ilaina amin’ny sorona izay niala ny vatany. Dikan’izany rehetra izany, mila mafy ny mpanao fanadihadiana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana amin’ny zava-misy ankehitriny. Ary tena miandry izany ny vahoaka izay mikorotan-tsaina maheno sy mahita ny zava-misy tato ho ato.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici