Alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy teo tamin’ny 10 ora alina sy 40 minitra tany ho any no nahitana ny lelan’afo voalohany tany Bazary kely ambany, aty amin’ireo tantsaha sy mivarotra « fripperie », ary lasopy gasy.
Vao nahare ny firehetana ny ben’ny tanàna Atoa Andrafanomezantsoa Alain, sy ny ekipany, ary ny solombavambahoakan’i Toamasina renivohitra Atoa Ratsiraka Roland, niaraka tamin’ireo mpivarotra may entana tao anatiny, ary mbola niaraka tamin’ireo mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina ihany koa. Tsy hay mihitsy ny niandohan’ny afo, fa ireo nahita ny afo voalohany no nahalalana fa izany mpivarotra lasopy gasy nahandro tongotr’omby izany no nahatonga ny afo. Efa mandeha moa ny fanadiadiana mikasika izany noho ny resaha mifamahofaho be. Naharitra adin’ny enina ny afo vao nanomboka maty, satria ny maraina teo mbola teny foana ireo mpamonjy voina sy hain-trano mbola namono ireo afo mbola tsy maty tanteraka satria hazo ny ankamaroan’ny tsena.
Maro anefa ireo olona tonga teny Bazary kely ny alin’ny firehetana io ihany, niezaka nanampy amin’ny fanesorana ireo entam-barotra mbola azo navotana. Tsy vitsy koa anefa ireo manararaotra ny fahamaizana ahafahana maka ny tsy an’ny tena ; ka maro ireo mpivarotra nanararaotra nitaraina fa misy mibata lalan-kafa indray ireo entana navotany. Araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina tamin’ny mpanao gazety dia isan’ny nampanano sarotra ny famonjena natao ny fisan’ireo entana navokoan’ireo mpamonjy ireo entana tamin’ny lalantsara, satria saika may teo amin’ny lalantsara ireo entana navoaka saika havotana ny ankamaroany. Nefa nanao ny ezaka rehetra ireto mpamonjy voina sy hain-trano nanao ny fahaizany nandritra ity fahamaizana ity.
An-tapitrisany maro ireo entana may tao anatiny, ka miantso ny fanaovana « téléthon » ho fanampiana ireto may entana sy fananana tamin’izany ny ankamaroan’ny olona nahita ny fahavoazana. Ankoatra izany dia nisy olona iray hita faty efa nikaraikona tao anatin’ilay afo be ny bazary kely. Lehilahy izy io tsy misy mahalala ihany koa, ary tsy fantatra ny antony nahatevela azy tao sy izao nahafaty azy izao. Mandeha ihany koa ny fanadiadiana mikasika izany ankehitriny.
Malala Didier


