- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka  : Tanora miisa 80 no nahazo mari-piofanana

Betsiboka  : Tanora miisa 80 no nahazo mari-piofanana

Ny harivan’ny sabotsy 01 aogositra 2026 teo, tokon’ny tamin’ny 04 ora sy sasany tany ho any no nanatanterahana fanolorana mari-piofanana ho an’ireo tanora 80, nanaraka lalam-piofanana fohy ezaka tamin’ny alalan’ny sampan’asa roa, toy ny  » Électricité de Bâtiment sy Pâtisserie,  » izay nokarakarain’ny eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Betsiboka, tany amin’ny disitrikan’i Kandreho. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo tanora, tao amin’ny renivohitry ny disitrikan’i Kandreho ny talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Betsiboka, Andriamatoa Dimby Ranaivo sy ny solontenan’ny mpiara-miasa aminy, ary ireo tomponandraikim-panjakana maro isan-tsokajiny ao an-toerana, ny avy eto Maevatanàna ambonivohitra. Teo amin’ny kianja fandraisana lanonana ao Kandreho an-tapon-tanàna no nanaovana izao hetsika mendri-piderana izao. Anisan’ny tanjon’ny eo anivon’ny fitalevam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa eto Betsiboka ny hanofanana ny tanora ho matihinana amin’ny fanatanterahana ny asa ataony. Nanamafy ihany koa ity tomponandrakitra iray voalaza anarana etsy ambony ity, fa eo an-dalana ny fikarakarana ny taratasy hahafahana mametraka ny  » ivon-toeram-piofanana na CFP: Centre de Formation professionnelle iray, any amin’iny disitrika iny. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara ny mampahafantatra fa tsy voatery mpianatra ihany no manaraka fiofanana fohy ezaka, saingy na olon-tsotra efa eo amin’ny sehatry ny asa aza dia manaraka izany avokoa.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici