Efa-bolana taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika azy, nanomboka omaly ny fotoam-pitsaràna azy. Tsy iza izany fa Ravalison Arile Jean de Dieu, ilay mpisandoka andraikitra sy mpisoloky malaza. Nalaza tokoa satria karazan’olona maro no voasolokiny ary mbola voafitany hatramin’ny sehatry ny asa nisy azy dia ny fandraharaha ny fonja izany. Voafitany nandritry ny taona maro tamin’ny fisandohana andraikitra satria vitany hatramin’ny nitondra galona Jeneraly teo anivon’ny asam-panjakana sy ny asa fisolokiana. Nolavin’ny fitsaràna ny fangatahana fahafahana vonjimaika omaly. Amin’ny voalohan’ny septambra no hivoaka izany. Betsaka ny manara-maso ity raharaham-pitsaràna ity, indrindra ireo olona marobe voasolokin’ity forongony ity.
D.R



Koa raha ny kintan’ny jeneraly no faniriana nanaovany fisolokiana dia hanefeo kintana 7 milanja 50 kg avy izy hiambozonany andro aman’alina !!!