- Publicité -
mardi, septembre 22, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAvance Center : Feno vehivavy mpangarom-paosy

Avance Center : Feno vehivavy mpangarom-paosy

Omaly maraina no nitranga ny asaratsy. Vehivavy iray niantsena tao amin’ny Avance Center no lasibatra. Dia mbola vehivavy avokoa ireo tompon’antoka rehefa nohamarinina tamin’ny horonan-tsarin’ny « camera de surveillance ». Andiam-behivavy telo izy ireo raha kely indrindra. Ny iray manakaiky ny lasibatra, eo ankilany. Ny faharoa avy ato aoriana manakona. Ny fahatelo farany dia mbola eo ankilany ihany ary manao izay hahatonga ny lasibatra ho eo ampovoany tanteraka. Manataka amin’ny zava-maranitra ny paoketra amin’izay ary ny fitoeram-bola no lasan’izy ireo tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy ela akory dia vita ny asaratsy ary miala moramora ao anatin’ny toeram-pivarotana ireo jiovavy. Efa lasa ireo vao tonga saina ilay ramatoa niantsena tao Behoririka. Tsy nanaiky mora foana izy ary nanaiky ny nifampiraharaha koa ny toeram-pivarotana tamin’ny fizahavana ny sary. Teo no hita avokoa ny ankapoben’ny zava-niseho. Ho mora ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiovavy ireo satria mitohoka amin’ny tenda avokoa ny porofo rehetra. Tsy maintsy misy mahalala rahateo ireo satria azo heverina fa toeram-piasany ny Avance Center sy ny manodidina azy. Ary raha tsy eo ireo dia mety mifindra toeram-pivarotana be olona mifamezivezy eo amin’ny manodidina ihany. Ny mora indrindra hanjonoana ny olon-dratsy toa itony dia ny fisian’ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ary mifangaro amin’ny olona ao. Ampitondràna poketra mba hanintomana ireo jiovavy ary dia ho raisim-potsiny eo izay tratra. Mila miara-miasa amin’ny tompom-barotra koa anefa izany satria ireo no mahafantatra ny olona mpivezivezy nefa tsy hividy akory. Ireny no tokony ahiana voalohany.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici