- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBizina zaza varira : Nisy mpampianatra iray voasambotra indray

Bizina zaza varira : Nisy mpampianatra iray voasambotra indray

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny sampam-pitsikilovan’ny prezidansa momba ilay raharaha fakàna an-keriny zaza varira niseho tao Vangaindrano. Olona iray hafa indray no voasambotry ny mpitandro filaminana, ka mpampianatra ao amin’ny CEG Vangaindrano no voalaza fa voakasik’ity raharaha ity. Nohamafisin’ny tomponandraikitra fa nisy ny antsoina hoe “deba” nataon’ireo voarohirohy, ka nahafahana namantatra olona hafa mety ho tafiditra amin’ilay tambajotra. Raha ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, dia efa-bolana teo ho eo no nanaovana fanadihadiana sy fanaraha-maso ilay olona voasambotra farany. Tao anatin’izany fotoana izany no nangonina ireo porofo sy vaovao samihafa, izay niafara tamin’ny fisamborana azy tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Andranomavo, distrikan’i Vangaindrano. Fantatra fa tratra tao an-trano ilay voarohirohy raha mbola natory, ka tsy nisy fanoherana nandritra ny fisamborana. Nentina avy hatrany ary nohadihadiana izy taorian’izay. Fantatra fa mitondra ny anarana hoe Marolahy ity mpampianatra ity ary miasa ao amin’ny CEG Vangaindrano. Ahiahiana ho nandray anjara tamin’ilay fakàna an-keriny zaza varira izy, na dia mbola eo am-panaovana fanadihadiana aza ny raharaha mba hamaritana ny tena anjara toerany sy ny mety ho fifandraisany amin’ireo efa voasambotra. Hatramin’izao dia mahatratra sivy ireo olona voasambotra voarohirohy amin’ity raharaha ity. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olona hafa mety ho voakasik’ity tambajotra ity, araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici